Praiminisitra: Nitsidika ny faritra Atsinanana

Nitsidika ny faritra Atsi­na­nana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herin­tsalama Andriamasy, ny talata sy alarobia lasa teo. Nano­tro­na azy tamin’izany ny minisitra efatra mianadahy, mpikambana amin’ny governemanta. Notsidihina nandritra izany, ny tapany atsimon’i Toamasina, distrikan’i Maha­noro sy i Vato­mandry izay sa­my simban’ny rivodoza Fytia avokoa. Toy izany koa ny tao amin’ny fo­kontany Tapakala, kaominina ambanivohitra Ambo­ditan­dro­horoho, izay ra­van’ny tadio nen­tin’iny rivodoza iny. An­koatra izay, nihaona tamin’ny lehiben’ny mpitandro filaminana, ny fitsarana ary ny lehiben’ny distrika ny delegasionina notarihany. Noresahi­na, nandritra izany, ny momba ny tsy fandriampahalemana izay mampikaikaika ny mpo­nin’i Toamasina.
Nanao fanambarana ny tenany, nandritra izany, fa mi­lamina i Toamasina ary tsy mi­tombina ny resaka eny anivon’ ny tambajotran-tserasera fa tsy mandry fahalemana ny ao an-toerana. Manoloana izany, namaly ny solombavambahoaka Ratsiraka Rolland, tamin’ny alarobia 5 febroary maraina, fa mirongatra ny tsy fandriampahalemana any an-toerana noho ny tsy fisian’ny asa ataon’ny tanora fa tsy marina ny nolazain’ny Praimi­nisitra. “Tsy maintsy mikatona amin’ny 10 ora alina kosa ny trano fisotroana mba hiadiana amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana », hoy ny avy amin’ny OMC.
Etsy ankilany, saika nihodinkodina tamin’ny tamberim-bidin’ny tetikasa Ambatovy ny ady hevitr’ireo ben’ny Tanàna tonga nanatrika ny fihaonana, ny alarobia 6 febroary maraina.

Sajo

Partager sur: