Potika 80 % i Toamasina : 31 ny olona maty, 4 tsy hita popoka

Rava tanteraka i Toamasina ! Mahatratra 80 % ny faharavan’ny tanàna. 29 no maty tao an-toerana, roa hafa tany Ambatondrazaka, araka ny tatitra farany, omaly. Any an-toerana, mijery sy manohana ny traboina ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël.

Araka ny tombana voalohany, mahatratra hatramin’ny 80 % ny fahasimbana ao an-tanànan’i Toa­masina. Manoloana ny voina, nanatanteraka fivoriana maika ny fitondram-panjakana, oma­ly. Nitarika izany, teny amin’ny Ivontoeram-pirenena fitarihana ny asa vonjy taitra (CNCOU), Antanimora, ny minisi-panjakana miadidy ny fanavaozana, Razafimanantsoa Hanitra.
Nampahafantarina, nandritra izany, fa ho fanohanana ny asa vonjy taitra, natsangana ny fanamafisana ara-pitaovana. Hahetsika ny kamiao mi­tondra ilay tsofa elektrika fa­napahan-kazo na vy sy milina famoahana rano (moto-pom­pe). Nanapa-kevitra ny handefa fiaramanidina amin’ny dingana roa mifanesy ny governemanta. Hitaterana ny mpiasan’ny vonjy taitra sy ekipa teknika izay efa tonga any an-toerana, omaly, ny sidina voalohany. Handefasana sakafo sy fitaovana maika hanampiana izay efa eny an-kianja kosa ny faharoa.
Miara-mientana ny sehatra rehetra miandraikitra ny asa maha olona hiantohana ny fandraisana andraikitra mirindra ho an’ireo traboina. Iara­ha­na ny fitadiavam-bahaolana maika. Voakasik’izany ny mom­ba ny fitaterana sy fama­tsiana solika. Torak’izany ny famerenana tsikelikely ny herinaratra. Anisan’ny ho arahi-maso ny vidin’ny akora fanorenana, ny fandrindrana ny fa­narenana haingana, ary ny fa­nomezana fanampiana vonjy taitra.
Misy ny fijerena mialoha ny fomba handrindrana ny any amin’ny faritra mety mbola hisy fiantraikany. Voakasik’ iza­ny ny sehatry ny fahasalamana, ny tohodrano sy fotodrafitrasa mahakasika ny rano toy ny faritra akaiky ny reniranon’i Sisaony sy ny tohodranon’i Tsiazompaniry.

Sajo sy Vonjy

31 ny isan’ny olona maty (29 ao Toamasina, roa ao Ambatondrazaka), 4 ny tsy hita popoka, 36 ireo naratra. 250 406 ny traboina (tokantrano 68 406), mahatratra 6 874 ireo voatery nafindra toerana ( tokantrano 1743), araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly hariva.

Partager sur: