Fiakaran’ny renirano: Mila mitandrina ireo nahazo filazana miloko mena

Mampitandrina ny Météo Madagascar fa noho ny fandalovan’ny rivodoza Gezani dia tombanana mbola hahazo rotsakorana avokoa ireo toerana efa nolalovany sy mbola handalovany. Ato anatin’ny 24 ora ho avy, araka ny tombana natao dia vinavinaina ho betsaka kokoa ny rano amin’ireo sahandriaka ao anatin’ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Boeny, Be­tsi­boka, Melaky ary Menabe.
Manan-kery ny fampitandremana miloko mena amin’ ny mety ho fiakaran’ny rano ho an’ireo mponina manamorona ny reniranon’i Betsibo­ka, Mahavavy Sud, Onibe, Manin­gory, Ivondro, Rianila, Tsiribi­hina, Manambaho, Ra­nobe, Manambolo, Sambao, Soaha­nina. Ho an’Antanana­rivo, fampitandremana mavo ho an’ireo manodidina ny renirano Ikopa sy ireo sampan’i Si­saony ary Mamba. Voakasikin’ izany ny kaominina Antanana­rivo Renivohi­tra, i Tsiafahy, Androhibe, Antsahadinta, Bon­gatsara, Antanetikely Ambo­hi­joky, Ala­tsinainy Ambazaha, Ampahi­tro­sy, Soa­landy, Anka­divori­be, Ampane­fy, Soavina, Ano­sizato Andre­fana, Ampita­ta­fika, Ambava­haditokana, Fe­noarivo. Eo koa ny manodidina an’Ambohitrimanjaka, Fia­da­na­na, Ampangabe, Masin­dray, Ambohimanambola, Ambohi­ja­na­ka, Alasora, Anka­­raobato, Tanjombato, Soavi­na, Anosi­zato Andrefana. Mi­ampy ny kaominina Itaosy, Andranona­hoatra, Bema­soan­­dro, Anka­di­manga, Ambohitri­manjaka, Ampan­ga­be, Iarina­ri­vo, Sabo­tsy Na­mehana, Ankadikely Ilafy, Ambohibao, Antehiroka ary Talatamaty.

Tatiana A

Partager sur: