Ankizilahikely efa-taona no voalaza fa nahafaty tsy nahy ny zaza niara-nilalao taminy, izay vao roa taona monja. Voatsatoky ny antsim-bilona niarahan’izy ireo nilalao ity farany.
Nifampisintoman’ny zaza roa lahy ny antsim-bilona ka nitera-doza, tao amin’ny tanànan’i Miarikofeno, kaominina Miantsoarivo, distrikan’Arivonimamo, ny tolakandron’ny 8 febroary teo. Tsy nanampo na inona na inona ny renin’ilay zaza roa taona. Efa mpiara-milalao ireo zaza roa ireo ary nanohy ny asa aman-draharaha fanaony ao an-tokantrano io renim-pianakaviana io. Nilalao antsim-bilona tampoka anefa ireo zaza. “Nifampisintoman’izy roa lahy tampoka ny antsim-bilona ka nahazo ny kibon’ilay zaza 2 taona, ny alahady tolakandro”, hoy ny fanazavan’ny renin’ilay namoy ny ainy. Tafiditra sahabo ho 1 sentimetatra tamin’ny faritra havanana amin’ny kibon’ilay lasibatra ny dian’antsy. Nivoa-dra ny kibon’ io zaza io. Nifamonjena, nentina teny anivon’ny CSBII Miantsoarivo izy kanefa tsy tana ny ainy.
Tsy nahy
Notazomin’ny mpitandro filaminana, taorian’io, ilay zaza vao 4 taona nahafaty tsy nahy an’io zaza 2 taona io. Fandraisana andraikitra lehibe ho an’ny ray aman-dreny ny fanahara-maso ny zaza. Matetika mitranga ny loza rehefa misy ny tandrevaka ataon’ny reny na raim-pianakaviana eo anivon’ny ankohonana kanefa misy zaza mila arahi-maso akaiky. Nampandre ny tonian’ny mpampanoa lalàna ao Arivonimamo ny zandarimaria taorian’ny fahazoan’izy ireo ny tatitra rehetra momba ity fahafatesan-jaza tsy nahy ity. Misokatra ny fanadihadiana.
Tsiferana R.




