TSELATRA

Lehilahy iray voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP Maevatanàna ny marain’ny 10 febroary 2026. Voampanga ho nanolana zazavavikely vao enin-taona monja, tany amin’ny fokontany Ambalaranokely, izy io. Nandositra izy taorian’ny asa ratsiny ary nokarohin’ny mpitandro filaminana. Voasambotra teo am-pitadiavana lalana handosirana izy. Niaiky ny heloka vitany ary fantatra fa efa nanolana tovovavy 14 taona ihany koa izy talohan’io.
Lehilahy roa tratran’ny polisy nangalatra vy tetsy amin’ny faritry ny kaominina ambanivohitra Ala­sora. Anisan’ny nampikaikaika ny mponina eny an-toerana ny firongatry ny halatra vy. Nandray fepetra izy ireo hamongorana ireo mpanao ratsy. Vokany, tratra teny amin’ny faritra Ankadiaivo Alasora, ny alin’ny alatsinainy ny iray tamin’ireo mpanao ratsy. Voasambotra tetsy Ambohimandraisoa Alasora kosa ny iray hafa, ny talata teo. Efa nifanenjehana tany an-tanimbary ity farany.
Rongony milanja 588 kg tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny Sampandraharaha miady amin’ny zava-mahadomelina (Stup), Fitaleavam-paritry ny filaminambahoaka Matsiatra Ambony, ny 09 febroary 2026 atoandro. Tratra tao amin’ny fokontany Iboaka, kaominina Ala­kamisy Ambohimaha, RN7 iny, ireo rongony ireo, nafenina tao anaty gony miisa 48, tao anaty fiara. Nokasaina hoentina aty Antananarivo.
Fotodrafitrasam-panjakana miisa telo simba tany amin’ny fari-piadidian’ny Tobim-paritry ny Zandari­mariam-pirenena Anjozorobe. Tatitra voaray, nandritra ny fandalovan’ny rivodozo Gezani. Tranon’olona roa ni­ro­dana tao Anjozorobe sy Ambonierenana. Fianaka­viana 21 traboina (tokantrano miisa 10). Simba nandritra izany ny EPP Anjozorobe sy Ambohibeloma ary ny Lycée Privée Saint-Joseph Anjozorobe. Andrin-jiro miisa efatra tapaka.

Partager sur: