Fandalovan’ny rivodoza Gezani: Miverina tsikelikely ny fifamoivoizana

Nahitana fahasimbana avokoa ny lalam-pirenena (RN2, RN5, RN44, …), nandalovan’ny rivodoza Gezani. Lalana manana ny lanjany amin’ny toekarena, ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra avokoa, izy ireo.

Namela takaitra mafy ta­min’ny fotodrafitrasa toy ny lalana i Gezani. Maro ny hazo sy andrin-jiro nianjera teny amin’ny arabe. Misy koa ny saron’ny rano, mahatonga ny fa­hatapahan-dalana. Nan­dray andraikitra avy hatrany ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), nampian’ny Zandari­ma­ria, ny ma­nampahefana any an-toerana ary ny mponina sy ny mpam­piasa lalana, nanala ireo hazo sy sakana teny amin’ ny arabe.
Natao ho laharam-pahamehana ny famerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana, in­drindra ny lalam-pirenena tena iankinan’ny toekarena sy ny fi­vezivezen’ny olona sy ny vokatra, mba hampizotra ny fama­tsiana. Misy koa anefa ny tsy azo anoharana, noho ny fiakaran’ny rano, ka mila mi­tandrina sy miandry ny fidinan’ ny rano, fa afaka mandeha. Ho an’ny la­lam-pirenena RN2 (Antana­na­rivo sy Toamasina), niakatra ny rano any Ambodi­boanara sy Fa­nandrana, 30 km mialoha ny hahatongavana any Toamasi­na. Toraka izany koa ny tetezana Ampa­simbola, PK 339. Efa mizotra araka ny tokony ho izy ny eo Brickaville hatrany Antsam­pa­na­na, nahitana hazo nianjera maro fa efa nalana.

Miakatra ny rano any Alaotra
Ho an’ny RN 44 (Antana­na­rivo, Vohidiala, Ambaton­dra­zaka, Vohitraivo), niakatra koa ny rano eo Ambalavato, eo anelanelan’ny PK140 sy PK141, any amin’ny kaominina Manakambahiny Andrefa­na. Toraka izany koa eo amin’ ny tetezana Ilakana (PK 149), Ankazotsaravolo (PK 150-151), eo amin’ny radie Loha­fa­sika PK 161 (Pont Kafe).
Misy koa ny hazo nianjera, na lalana tena ratsy, amin’ny lalam-pirenena RN 5 (Toa­masina-Foulpointe- Fenoarivo Atsinanana-Soanierana Ivongo-Mananara Avaratra-Maroantsetra). Toraka izany koa ny RN11A (Antsampanana- Vatomandry-Mahanoro).

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: