Nivoaka ny gazety boky niomerika Brio Connect. Hisy hetsika fampahafantarana azy sady fihaonana mivantana ho an’ny samy mpandraharaha (B2B) atao anio sy rahampitso, eny amin’ny CCI Ivato. Hisy ny fifankafantarana, ny fifampiraharahana « Net Working » ho an’ny samy mpandraharaha. Tanjona ny hisian’ny fifanakalozana ara-barotra. Eo koa ny famelabelaran-kevitra miankina amin’ny lohahevitra samihafa. Ny fanomezana fankasitrahana ny mpandraharaha mandray anjara, sns. Nilaza ny tale jeneraly lefitra (DGA) ny Brio Connect, Raoelina Mandresy, fa « fiaraha-miasa amin’ny Yas Business, matihanina amin’ny lafiny serasera sy ny fandraharahana no ahatanterahana izao hetsika izao».
Ny orinasa tsy ankanavaka no mandray anjara amin’ity hetsika ity. Mpandraharaha eto an-toerana, fa misy koa ny avy any ivelany. Handroso tolotra ho an’ny mpandraharaha ny Yas Business fa afaka mandroso tolotra ho an’ny Yas koa ny mpandraharaha. Tanjona ny hisian’ny fifanakalozana ara-barotra.
Ho an’ny Yas, manome vahaolana ho an’ny orinasa ny niomerika. Efa misy ny Data Center, ahafahana mikirakira ny tontolo niomerika, ampifanarahana amin’izay tian’ny orinasa na rafitra tsirairay.
Njaka A.




