Nivory maika, omaly hariva, ny komity teknika sy ny komity mpitantana ny tetikasa Repair, tarihin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé. Lohahevitra nodinihina ny fanapahan-kevitra horaisina momba ireo hetsika vonjy taitra entina miatrika ireo voina noho ny fandalovan’ny rivodoza Fytia sy Gezani. Famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana (Fid) sy ny Tahirimbola nasionaly hiatrehana ny loza (FNC) no hanatanterahana ny hetsika, sy ny asa entina hanampiana ireo niharam-boina.
Tsahivina fa efa nisy ny fivoriana, nijerena ny paikady ho raisina, ao anatin’ny tetikasa Repair, ny volana desambra 2025 teo. Tanjona ny hananana tondrozotra ho famatsiam-bola haingana hamonjena sy hanampiana ireo traboina rehefa tojo rivodoza toy izao. Karazany telo ny lalambola napetraka. Voalohany, ny Tahirimbola FNC, hanampiana ny Vondrom- paritra itsinjaram-pahefana sy ny BNGRC. Eo koa ny tahirimbola Fid, hanampiana sy hamonjena ny fianakaviana marefo. Ary fahatelo ny vola tantanin’ny Solidis, hanampiana ny orinasa madinika sy salantsalany (PME). Koa, iretsy roa voalohany no hetsehina amin’izao fahasimbana nateraky ny rivodoza Fytia sy Gezani izao.
Marihina fa firenena voalohany aty Afrika hampiharana ny fandaharanasa Repair i Madagasikara, miampy an’i Kaomoro sy Mozambika.
Njaka A. sy Henintsoa




