Na dia efa nivoaka any amin’ny Lakandranon’i Mozambika aza ilay rivodoza Gezani, tombanana ho betsaka hatrany ny rano ato anatin’ny 24 ora ho avy, amin’ireo sahandriaka ao anatin’ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Sofia, Boeny, Betsiboka, Melaky ary Menabe, araka ny nambaran’ny Météo.
Tetikasam-panabeazana natao hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanabeazana eo anivon’ny “action éducation » ny tetikasa Anjara. Dren miisa 2 no nisitraka izany ka anisany i Analamanga. Tanjona amin’izany ny hanabevoho ny fahaiza-manaon’ny mpianatra, hahaizany manorina samirery ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ao aminy.
Hitety faritra hanentana ny olona sembana, handresy lahatra azy ireo, hiditra amin’ny tolotra fahasalamana ara-pananahana ny Afham. Tsy mitovy amin’ny olon-drehetra fa ny fianakaviana no tena entanina ho resy lahatra amin’izany ka hanohana ilay olona manana fahasembanana ao aminy. Ireo fianakaviana matetika no tena sakana raha ny fanazavana.




