Hita faty tao anaty kirihitra ny ankizivavy 15 taona mbola mpianatra eny amin’ny CEG, tao amin’ny fokontany Ambohitratsimo, kaominina Andranomiady, distrikan’i Faratsiho, afakomaly. Hamonjy toeram-pianarana no nialan’io ankizy io ny tokantrano, ny talata 10 febroary lasa teo. Nianatra teo anivon’ny CEG Ambohitratsimo ity ankizy niharan’ny fanolanana ity. Tsy niverina tao an-trano intsony anefa izy taorian’izay. Nanontany tena koa, ny mpampianatra teny anivon’ny sekoly satria tsy tonga nianatra izy. Nametraka ahiahy ny fianakaviany ka nampandre ny fokonolona momba ny tsy fahitana ny zanak’izy ireo. Nikaroka ny mponina manodidina. Nanamarina ny lalana mihazo ny toeram-pianarana raha toa ka tavela teny an-dalana ilay ankizivavy. Namonjy ny trano fonenany ny isam-batan’olona noho ny andro maizina. Hitan’ny olon-tsotra tao anaty kirihitra ny fatin’ilay mpianatra, ny alarobia 12 febroary maraina. Nozahan’ny mpitsabo, voamarina fa niharan’ny fanolanana ity ankizy ity. Tsy fantatra ny nahavanon-doza ary miroso amin’ny fikarohana ny tomponandraikitry ny filaminana miasa ao an-toerana.
Tsiferana R.




