Iarahantsika rehetra mahalala ny takaitra navelan’ny rivodoza indroa miantoana, namango an’i Madagasikara. Nahery ny fiantraikany teto an-tanàna. Maro sy mavesabesatra ihany ny faharavana navelany ho an’ny vahoaka malagasy. Potipotika ny tanàna, tsy tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana ihany, fa nahazo hatrany amin’ny faritra samihafa nolalovany.
Raha ny tao Atsinanana dia azo lazaina fa tena potika tanteraka. Zara raha misy ny 1/5 ny fotodrafitrasa no miangana. Tena hoe rava tanteraka ara-bakiteny. Ho henjana ny fanarenana ny zava-misy. Tsy mbola misy ny tombana ny mety ho teti-bidin’ny fanamboarana ireo simba. Ny azo antoka, mbola haharitraritra ny asa. Ny fanadiovana azy mbola vao hanomboka. Ny kivorivory hitadiavam-bahaolana no efa haingana dia haingana.
Zava-dehibe ny fahatsapan’ny rehetra fa mila tolo-tanana i Madagasikara. Jerena amin’ny fijery hafa sy miabo rahateo ny zava-mitranga sy ny hoavy. Tsy mampaninona fa izay vao tena hihavao tanteraka avokoa ny zava-drehetra. Izay rahateo no andrandraintsika amin’ izao fitondrana izao. Ny vahoaka rahateo efa vonona ny ho amin’izany. Miandry fotsiny ny hoenti-manana sy ny fitaovana ny mponina dia raikitra io!
Na izany aza, mitaky toe-tsaina madio sy feno fitiavana ny asa hatao. Mba tsy hisy sahady ny mpanararaotra amin’ny fampiakarana ny vidim-piainana sy ny vidin’ ny kojakoja hanarenana trano. Mila mijoro sy mihenjana ny fanjakana amin’ny fanaraha-maso amin’ny endriny rehetra. Tsy ny fahorian’ny vahoaka malagasy no ho tombontsoan’ny sasantsasany.
Tsy misy toerana ho an’ny mpanararaotra aloha izao toe-draharaha iainan’ny vahoaka ankehitriny izao. Tena ilaina ny firaisankina sy ny fifanohanana.
r.r




