Misesisesy ny olona maty nilatsaham-potaka tato ho ato. Ankizilahy miisa telo, indray lasibatr’izany, tany Bemahatazana, Tsiroanimandidy, afakomaly hariva. Maty ny roa, mbola manaraka fitsaboana ny iray.
Nirefotra mafy sy namono olona indray ny varatra tany Atsimombohitra, fokontany Bemahatazana I, kaominina ambanivohitra Bemahatazana, disitrikan’i Tsiroanimandidy, faritra Bongolava, afakomaly tokony ho tamin’ny 04 ora hariva. Ankizilahy miisa telo no indray voa mafy tamin’izany. Maty tsy tra-drano ny roa (9 sy 11 taona) tamin’izy ireo. Naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Bemahatazana kosa ny ankizy iray hafa (7 taona). Efa tsy misy hatahorana ny ainy amin’izao fotoana izao, raha ny tatitra voaray avy amin’ny zandarimariam-pirenena mandray ny famotorana any an-toerana.
Tonga teny ifotony, nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana avy hatrany, ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Bemahatazana, niaraka tamin’ny mpitsabo taorian’ny antso azon’izy ireo. Efa eny anivon’ny fianakaviana, any an-trano fonenany, avokoa ireo razana, taorian’ny loza sy ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana.
Nilalao teo an-tokotany
Niara-nilalao tao ambany lavarangana ireo ankizy, telo lahy, ireo, tamin’io fotoana io. Avy madinidinika ny orana, nefa nirefotra tampoka ny varatra ka namely azy ireo, raha ny angom-baovao nataon’ny zandarimariam-pirenena mandray ny famotorana any an-toerana. Marihina fa mpinamana ary mpiray tanàna izy ireo. Efa fanaon’ireto zaza ireto ny miara-milalao tahaka izao.
Misy faritra may kely teo amin’ny faritry ny valahan’ilay ankizilahy velona soa aman-tsara, nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo azy. Tsy nahitana ratra na famantarana ny nahamay ny varatra azy kosa ireo roa lahy niara-maty.
Mino




