TSELATRA

40 ny isan’ny maty; enina ireo tsy mbola hita popoka, ary 427 ny olona naratra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly hariva. 243 417 ny traboina (tokantrano 74 393) ; olona 6 318 nafindra toerana ka 11 468 napetraka any amin’ny toerana manokana miisa 48. Maha­tratra 14 630 ny trano dibo-drano, 37 830 simba ary 18 797 potika. 563 ny efitranon-tsekoly tsy misy tafo intsony, 142 simba amin’ny ampahany ary 76 rava tanteraka.
Lehilahy roa voasambotry ny Polisim-pirenena sy ny Dredd Menabe, tany Belo-sur-Mer, distrikan’i Mo­rondava, afakomaly. Saika hanondrana antsokosoko so­katra radiata miisa 646, izy ireo. Marihina fa maty ny 16 tamin’ireo biby arovana ireo. Olona telo hafa tafaporitsaka.
Mpirahalahy mpivarotra rongony, naiditra voinjimaika am-ponja any amin’ny fonjan’Antsirabe, ny alatsinainy teo. Tratran’ny polisy miady amin’ny zava-mahadomelina (Stup), nivarotra sy nitazona ary mbola tratra nidoroka rongony tany Andafiatsimo Star izy ireo. Nahitana rongony 58 fonosana teny amin’izy roa lahy ireo.
Tsikaritra fa nisy fanafihana mitam-piadiana nataon’olon-dratsy misandoka ho Miaramila tato ho ato, hoy ny fanambarana nataon’ny minisiteran’ny Foloalin­dahy, omaly. Voamarina fa tsy miaramila velively ireo voalaza fa manao fanamiana manao fanafihana ireny.

Partager sur: