Mandeha tsimoramora  

Anatin’ny asa fanarenana na fanorenana vaovao ny rava rehetra i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Efa samy am-perinasa avokoa ny ankolafin-kery rehetra. Samy mitondra ny anjara birikiny mba ho an’ny mpiray tanindrazana. Hatrany am-piangonana izao, efa manamafy fa tsy ampy ny fitondrana am-bavaka fotsiny. Mila asa mivaingana ireo traboina sy namoy havana.
Niaraha-nahita fa ny vahiny izao efa manao rodombe. Mihazakazaka mitondra izay voarambin’ny tanany. An-tapitrisany ny volabe mitosaka. Manao izay hanamaivanana ny manjo ilay mpiray tanindrazana koa maika fa isika? Mila miray hina sy miara-mirona isika Malagasy mba ho marik’izay firaisankina izay.
Maro ny asa miandry. Betsaka ny fanarenana tsy maintsy hatao. Tsy vitsy ny mila tohana ara-tsaina namoy havana. Ny endri-panohanana rehetra izany dia arahabaina avokoa. Entanina, araka izany, ny rehetra mba hifanohantohan-tsy ho lavo sy hitondra izay voarambin’ny tanany.
Ho iray vatsy iray aina tokoa isika mianakavy, manoloana izao voina izao. Tsy hisy ny tombo sy hala fa mba hifampitsimbina sy hifanohana arak’izay tratra. Ny erikerika no mahatondra-drano, ny be no basy! Koa inona moa izany no sakana tsy ampitambarana ny hery. Mila mivondrona sy mitambatra ny Malagasy mba hahafahana manaporofo ihany koa fa tsy miandry toloram-potsiny na miandry mahazo. Tsy maintsy manetsika ny tokony hahetsika. Manambatra izay tokony hitambatra. Alefa tsikelikely sy tsimoramora eny.

r.r

Partager sur: