Anisan’ireo efa miroso any amin’ny fanavaozana ny eo anivon’ny « Office des mines nationales et des industries strategiques- Omnis », amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny tale jeneraly, ny Jly Andriantaolo Tsilavonjato Honoré, tetsy Mangasoavina, fa hametraka ny mangarahara amin’ny alalan’ny fitantanana ny fitrandrahana manara-dalàna izy ireo. « Antsika ny harena. Misokatra amin’ny manampahaizana sy mpandraharaha eto an-toerana sy ny any ivelany isika. Tsy maintsy hisitraka ny tombontsoa ny rehetra », hoy izy. Nanteriny fa efa miroso amin’ny fanadiovana koa ny eo anivon’ny Omnis, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny lalàna. Havaozina ny fehezan-dalàna momba ny solika ary hatao koa ny fampahafantarana izany, ahafahana misarika ireo kaompania matotra. Hisitraka tombontsoa amin’izany koa ny eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina ary ny faritra amin’ny fikarohana sy ny fitrandrahana. « Voafaritra ao anatin’ny fifanarahana mazava iarahana amin’ireo kaompania mpitrandraka izany », hoy ihany izy.
Synèse R.




