INDRAY MIJERY

Nisy ny fandaminana noraisin’ny Holafitry ny farmasianina hanamorana ny tolotra ho an’ireo marary manjifa fanafody rehefa faran’ny herinandro. Efa misy isaky ny boriborintany enina ny farmasia mpiandry raharaha. Tsy voatery mandeha alavitra intsony, araka izany, ireo izay hividy fanafody. Misy ihany koa ireo farmasia ivelan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra misokatra 7j/7 sy 24h/24 na isan’andro.

Mahatsiaro ho ankilabao ireo mpandraharaha ara-pahasalamana miasa eny anivon’ny hopitaly sy minisitera satria rehefa misy fandraisana mpiasam-panjakana na fanondrotana tambin-karama dia hadino izy ireo matetika. Ireo mpandraharaha ireo anefa no anisan’ny miantoka ny rafitra mazava toy ny mitantana ny vola, mikarakara ny karama, miandraikitra ny antontan-taratasy…

Mihatra ny filazana miloko maitso amin’ny hamafin’ny rivotra any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Mihaodihaody any ilay rivodoza Gezani. Tsy tokony hiandriaka intsony. Hamafisina ny trano, manao fantsona manakaiky ny trano mba hisorohana ny tondradrano anaty tanàna. Tehirizina amin’ny toerana azo antoka ny antontan-taratasy sy ny fanafody…

Partager sur: