Fanampiana ny traboina ao Toamasina: Mifarimbona ny Nifin’Akanga, ny Autisme Madagascar ary ny OIM

Mavesatra ny ratra navelan’i Gezani. Hatramin’izao, mbola tsy tafarina i Toamasina. Mila ny tolo-tanan’ny rehetra ho fananganana indray ny fihariana. Nitondra ny anjara birikiny ny Nifin’Akanga…

Mifarimbona amin’ny tolo-tanana ho an’ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza farany teo, tany Toamasina, ny Ni­fin’Akanga, ny Autisme Mada­gascar ary ny Organisation internationale pour les migrations (OIM).
Miantsehatra mivantana mitety tokantrano, mijery ny fanarenana tokony hatao sy ny karazana fanohanana ilain’ny ankohonana mihitsy ireo ekipa.
Nisy ny tohana ara-bola sy teknika avy amin’ny OIM nahafahana nanatanteraka ny hetsika.

Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, natao isan-tokantrano mihitsy ny fanangonana ireo karazana fitaovana ilain’ny mponina hahafahana ma­narina ny simba sy mamonjy azy ireo, hiverina haingana amin’ny andavanandrom-piainany.
Namangy ireo traboina mitoby amin’ny toerana natokana ho azy ireo ihany koa ny ekipa, nanao ny tombana amin’ny filana maika sy tsy maintsy indrindra amin’ny maha olona.
Nampanao fivoriana maika handrindrana ny asa ny solontena’ny Nifin’Akanga, iarahana amin’ny mpiantsehatra eny ifotony.
Tokantrano marefo manodidina ny 3 097 no heverina hahazo tohana amin’ny fanarenana ny tranony rava. Hatao araka ny tokony ho izy ny fampiasana ny fanampiana mba tena hisy vokany mivantana amin’ny fanarenana ireo olona tena mila izany.
Ho mangarahara sy madio, araka izany, ny fampiasana ny fanampiana, indrindra ireo tena marefo sy ireo olona manana fahasembanana na hita maso na tsia.
Eo koa ny vehivavy sy renim-pianakaviana tena sahirana amin’ny ankohonany.
Niantefa tamin’ny vondron’ireo vehivavy sy ankizy manana fahasembanana ary ezahina ny tsy hisian’ny fanilihana na hadino amin’izy ireo izany.

Tatiana A

Partager sur: