Nanome tolo-tanana ho an’i Toamasina, izay voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny kaominina Behompy, Toliara II, faritra Atsimo Andrefana. Tonga nanolotra izany tetsy alohan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra Analakely, izy ireo, ny sabotsy lasa teo. “Tonga eto izahay solontena avy any amin’ny kaominina Behompy mba hiombom-po amin’ny vahoakan’i Toamasina satria iray ihany isika malagasy”, hoy i Tony Mahamode Aly Ismaël, ben’ny Tanànan’i Behompy. Misy karazany maro ny fanomezana nentin’izy ireo tamin’izany, toy ny savony, paty, labozia, lamba ho an’ny ankizy sy olon-dehibe.
Tsiahivina fa hetsika nokarakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, nanomboka ny alakamisy 12 febroary hatramin’ny alahady 15 febroary 2026 lasa teo, ny fanangonana izany. Avy amin’ny olon-tsotra avokoa ny fanomezana rehetra, izay nahatratra 35 taonina. « Omena mivantana ny ben’ny tanànan’i Toamasina ny fanomezana rehetra izay azo eto mba hahafahany mizara amin’izany amin’ireo mponina tena sahirana sy mila an’izany amin’ny herinandro ambony”, hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramantsoa Harilala. “Tokony hotohizana ny firaisankina ho an’i Toamasina, amin’izao voina mahazo ny Malagasy mpiray tanindrazana izao”, hoy kosa Andrianirina Max Fabien, filohan’ny Rassemblement national pour la Réfondation.
Mino




