Anisan’ny rava tanteraka, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny Akany Onjasoa ao Tanambao Verrerie II, Toamasina. « Potika sy rava ny 90% ny sekoly, izay ahitana mpianatra manodidina ny 1 340 isa sy mpanabe 32 », hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana Malaza ny Gasy, Razanamanantsoa Emma. Anisan’izany ny efitrano fianarana rehetra hatramin’ny fitaovana rehetra ao anatiny. Manoloana izany, nanao tolo-tanana ho azy ireo ny sekoly La Pépite d’Or III Ambohimanarina. Nahitana tolotra maro, toy ny lelavola 670 000 Ariary, vary efatra gony, fitaovam-pianarana iray gony, akanjo fitafy, kiraro, savony, labozia, vaomaina sy sakafo isan-karazany, izany. Fanomezana avy amin’ny mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra eo anivon’ny sekoly avokoa izy rehetra ireo. Atolotra mivantana ho an’ireo mpampianatra sy mpianatra eo anivon’ny Akany Toamasina. “Manao tolo-tanana tahaka izao ny sekoly rehefa misy voina mitranga, fa tonga dia natolotra mivantana ny sekoly niharam-boina mba hahafahana mifanampy », hoy ny talen-tsekoly, Rahantamalala Dani Saholitiana.
Mino




