Omaly, efa vonona tanteraka ny fotodrafitrasa ao amin’ny Village Voara, hamindrana ireo zaza tsy maintsy ampidirina hopitaly vokatry ny aretin’ny taovam-pisefoana, bronchiolite.
Vonona ny fitaovana ilaina rehetra, ahitana fandriana sy kojakoja fitsaboana, oxygène, ny fanafody ilaina amin’ny fitsaboana ary ireo ekipa mpitsabo sy mpikarakara ny marary efa nahazo fiofanana manokana.
Efa voalamina ihany koa ny rafitra famindrana ireo zaza marary avy eny amin’ny toeram-pitsaboana mankeny an-toerana. Marihina fa eny amin’ny tobim-pahasalamana mahazatra ihany ireo zaza marary no entina. Izy ireo kosa no miantoka maimaimpoana ny fandefasana ireo zaza mankeny amin’ny Village Voara raha ilaina izany.
Tsiahivina fa tsy maharaka intsony ny fotodrafitrasan’ny hopitaly misahana ny reny sy ny zaza mandray ireo zaza sahirana amin’ny taovam-pisefoana ka tsy maintsy nanokafana ity ivontoerana ity. Efa nisy ny fikaonandoha maika nataon’ny fanjakana tamin’ireo lehiben’ny hopitaly mikarakara ny reny sy ny zaza ka nandraisana haingana ny fanapahan-kevitra.
Mirongatra ny aretina bronchiolite amin’izao fotoana ka raha azo atao dia tsy entina mivoaka ny zazakely fa hajanona ao an-trano tsy haka aretina any ivelany ary atao lavorary ny rivotra iainana, tsy misy fofon-tsigara, tsy mampiasa arina fandrehitra na kitay, tsy mampiasa fofona mahery mihitsy hisorohana ny aretina.
Tatiana A




