Niara-nidinika tamin’ny ekipa teknika momba ny ranon’ny Jirama teny Mandroseza ny delegasionina mpikaroka avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa notarihin’ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa, niaraka tamin’ny tale sy mpikaroka avy amin’ny Ivontoeram-pikarohana sy avy ao amin’ny sekoly ambony Polytekinika Antananarivo (ESPA)-Vontovorona. Nojerena ifotony, nandritra izany, ny zava-misy sy ny olana ary ny tetikasa eo anivon’ny Jirama, ahafahan’ireo mpikaroka mitondra fanatsarana amin’ny kalitaon’ny rano sotroin’ny vahoaka sy manolotra tetikasa maharitra ho an’ny famatsiana rano.
Tsy atahorana hiverin-dalana intsony ny rivodoza Gezani fa efa nanalavitra ny morontsiraka malagasy. Etsy ankilan’izay, misy tangoron-drahona araha-maso ao amin’ny tendrony avaratra atsinanan’ny fari-dranomasina misy antsika. Raha ao anatin’ny efatra andro ho avy, tsy hisy rivodoza hahakasika an’i Madagasikara.
Trano fianarana vonjimaika miisa 50 no natsangan’ny mpiara-miombon’antoka Unicef, ho fanohanana ny fitohizan’ny fampianarana eo anivon’ny Dren Atsinanana. Ankoatra izany, mpianatra 21 000 no nisitraka fitaovam-pianarana, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tao amin’ny EPP Anjoma, Cisco Toamasina I, no nanombohana tamin’ny fomba ofisialy izany, niaraka tamin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, tamin’ity herinandro ity ary hitohy any amin’ireo Cisco niharam-boina hafa.




