Namoy ny ainy, voahitsaky ny sarety, tetsy Mahamaintiomby Anjozorobe, ny zazakely vao telo taona, omaly maraina. Nipitika avy eny ambony sarety izy, voahosin’ny kodiarana ny lohany.
Nitrangana loza namoizana aina tao Mahamaintiomby, kaominina ambanivohitra Belanitra, disitrikan’ Anjorozobe, omaly maraina tamin’ny 8 ora. Sarety iray, nitatitra fasika, no nihavian’ny loza. Niaraka tamin’ny dadany (46 taona) nandeha naka fasika tany an-tsaha maraina, ny zazavavikely vao telo taona monja. Nitondra sarety izy mianaka tamin’izany. Nitaingina ilay sarety sady nitsangana ilay zaza tamin’ny fotoana niverenan’izy ireo nody. Nandroaka ny omby teo aloha ny rainy.
Somary ratsiratsy ny lalana rehefa tonga teo Maharova, fokontany Mahamaintiomby. Nilatsaka tany anaty lavaka ny kodiaran’ilay sarety noho ny fisian’ny lavaka. Nipitika sy nianjera avy eny ambony sarety ilay zaza. Latsaka tany amin’ny tany. Tsy nijanona anefa ireo omby nitarika ny sarety. Vokany, voahitsaky ny kodiarana ny lohan’ilay zaza. Nitodika nijery ny zava-niseho ny rainy. Indrisy, zanany efa voahitsaky ny sarety no hitany tao ambany. Nandrika ny ra, potika voahitsaky ny kodiaran-tsarety ny lohany. Vokany, maty tsy tra-drano ilay zaza.
Nahazo fampahafantarana avy amin’ny sefo fokontany tany an-toerana ny zandarimaria miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Antanetibe Anativolo, taorian’izay. Tonga nidina teny ifotony, nijery ny zava-misy izy ireo sy ny mpitsabo tao amin’ny CSB II Antanetibe. Natolotra ny fianakaviana ny razana, taorian’ny fizahana nataon’ny manam-pahefana sy ny mpitsabo.
Mpitondra moto maty voahitsaky ny fiara
Nandrika ny ra tetsy Ankorondrano, omaly hariva tokony ho tamin’ny 7 ora tany ho any. Lehilahy iray mpitondra taxi-moto no maty tsy tra-drano, voahitsaky ny fiara Mercedes. Raha ny fanazavan’ny nanatri-maso ny zava-nisy teny an-toerana, voadonan’ilay fiara avy any aoriana io kodiaran-droa io. Nianjera tamin’ny tany ny olona nitondra azy ary voatsindry sy voahitsaky ny kodiarana ny lohany. Nahavoadoana ny lohan’ny fiara kosa ilay moto ka nahapempo ny fiara. Efa tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana (BAC). Notanana natao andrimaso ny mpamilin’ilay Mercedes k7 nahavoahitsaka ny lohan’ilay mpitondra moto.
Mino




