Nametraka fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ireo miaramila Rosianina lavo tamin’ny ady ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, amin’izao fivahinianany any amin’ity firenena ity izao. Teo koa ny fitsidihany ny mozea mitahiry ireo fitaovam-piadiana sy ny fanamian’ny miaramila tamin’ireo ady lehibe natrehin’ny firenena rosianina.
Hentitra ny toromariky ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama. Tsy maintsy mipaka mivantana tsy misy hanombinana any amin’ireo traboina, any Toamasina, ny fanampiana rehetra. Tsy misy fandeferana amin’ny fanararaotana sy ny kolikoly, araka ny nambarany. Mafonja ny delegasionina handamina sy handrindra izany any an-toerana.
Lasa nihazo an’i Toamasina ireo miaramila sy zandary ary polisy maherin’ny 600, omaly. Hiantoka ny filaminana sy hanohana ny asa famonjena ary ny fandrindrana ny fanampiana ireo traboina izy ireo. Tomponandraikitra voatendry manokana koa no hanara-maso ny fahatongavan’ireo fanampiana sy ny fizarana izany ao anaty mangarahara.
Miditra amin’ny andro fahatelo ny volana masina Ramadan ireo mpino silamo maneran-tany. Natokana hifadin-kanina sy handinihan-tena izany ho azy ireo. Hanatanteraka asa sosialy eto an-dRenivohitra izy ireo, ao anatin’izany volana Ramadan, raha ho an’ireo mpino silamo eto Antananarivo manokana.




