Fikarohana siantifika : Nankasitrahan’ny AJE ny Pr Lily-Arison René sy ny Pr Jonah Ratsimbazafy

Ankoatra ny fanaovan-gazety mahazatra, manana adidy amin’ny maha olom-pirenena ihany koa ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana. Ao anatin’izany ny fankasitrahany ny Malagasy mpikaroka.

Notoloran’ny Fikambanan’ ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE), mari-pankasitrahana, omaly, ny profesora Lily-Arison René de Roland, mpahay ny vorona (ornithologue), sy ny profesora Jonah Ratsimbazafy, mpahay ny varika (primatologue). Maro ny fikarohana ara-tsiansa vitan’izy ireo. Niahy ity fotoana ity ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama. Nomarihiny, nilazany, fa tohanana ny lafiny fikarohana ara-tsiansa malagasy, homena lanja ny lafiny tontolo iainana sy ny zahavoahary.
Notanisain’ny filohan’ny AJE, Njaka Andriantefiarinesy, ny mampiavaka ny Pr Lily-Arison. Ny nahitany indray ka­razana vo­rona miisa 4, efa noheverina ho efa lany tamingana. Izy no talen’ny tetikasa amerikanina The Peregrine Fund, mitantana va­lanjavaboahary efatra, mitotaly 200 000 ha. Nahita karazana «hala» (araignée) vaovao, ny taona 2021, nomena ny anarana hoe «Katableps Liltarisoni»… Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, nahazo ny loka India­napolis Prize 2025.

Hita anaty Hajia malagasy

Ho an’ny Pr Jonah Ratsim­­bazafy, izy no afrikanina voalohany, filoha faha-14, ny Inter­na­tional Primatological Society (IPS). Nahita ny karazana varika vaovao Micorce­bus jonahi, na Tsitsidin’i Jonah, ny taona 2020.
Mpikambana ao anatin’ny Akademia Malagasy. Hany Ma­lagasy mbola velona hita amin’ ny hajian’ny paositra malagasy. Izy no filohan’ny fikambanana Gerp, mitantana ny Valan­javaboahary any Maromizaha, izay tsy nahitana afo sy fanimbana ala tato anatin’ny 8 taona, nanomboka ny taona 2017.

Njaka
Andriantefiarinesy

Nanotrona ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Manesimanana Michaël, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Profesora Ravonimanantsoa Manda-Vy. Teo koa ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharaha tany, ny jeneraly Lylison René de Rolland ary ny talen’ny Kabinetran’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotonirina Hasina, nisolo tena ny minisitra.

Partager sur: