Jirama : Ampy tsara ny herinaratra ho an’ny RIA

Nitondra fanazavana momba ny fitantanana ny Jirama, omaly, ny tale jeneraly (DG), ny jeneraly Rasolomanana Hajatiana. Amin’izao voina mihatra any Toamasina, vokatry ny rivodoza Gezani farany teo izao, nambarany fa efa misitraka rano fisotro ny 60% ny mpanjifa. Ho an’ny famatsian-jiro, zotra manana tanjaka salantsalany (MT) miisa 6 amin’ireo 11 no efa mandeha, mamatsy ireo zotra laharam-pahamehana, toy ny hopitaly, ny banky, ny fonja, ny toby miaramila, sns. Hojerena tsirairay ny tanjaka ambany (BT), mamatsy ny tokantrano.
Ho an’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA), manana amby ampy ny Jirama. Lafiny fitsinjarana no mahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra. Misy mizaka 122% ny toby madinika sasany (sous-station), toy ny Tana-Sud Anosizato, ka tapaka matetika.
Any amin’ny Faritra, efa tonga ny 19 amin’ireo milina mpihary herinaratra miisa 116, novidin’ny Jirama sy ny fanjakana. Nalefa any Ampanihy, Antanambao Manampotsy, Marolambo, Ambatoboeny, Nosy Varika, sns, ireo fitaovana ireo. Ho tonga hatramin’ny volana mey 2026 ny milina ambiny.
Manodidina ny 100 miliara Ar isan-taona ny fatiantoka, noho ny halatra herinaratra sy ny hosoka. Koa, mitohy ny fitsirihana ny kaontera isan-tokantrano.

Njaka A.

Partager sur: