Fandrindrana ny vokatra: Vidin’ny orinasa SPM 1 500Ar ny kilaon’ny vary akotry

Nifanakalo hevitra mivantana tamin’ny tantsaha ny fanjakana tamin’ny alalan’ny mi­nisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana manoloana ny fikorontanan’ny vidim-bary. Ta­paka taorian’ny dinika fa hovidin’ny orinasa State Pro­curement of Madagascar (SPM) ara-drariny ny vary akotry eny amin’ny tantsaha. Hetsika izay natomboka teny Imerintsiatosika, ny alarobia teo. Araka izany, ho alain’ny orinasa amin’ny vidiny 1 500Ar ny vary akotry any amin’ireo tantsaha, raha 1 700Ar kosa izany ho an’ireo mpanangom-bokatra manana vary eny amin’ny GGV. «Tanjona ny hitondram-bahaolana ma­haritra mahakasika ny tsan­tsaha, izy ireo izay tokony ho­tsinjovina hatrany satria maro an’isa tokoa», hoy ny minisitra Andriamadison Haingo­tiana. Nasongadiny fa mampifandray minisitera samihafa ny sehatry ny famokarana ary efa misy komity manara-maso akaiky ny zava-misy eny anivon’ireo andrimpanjakana ireo.
Tsiahivina fa anisan’ny nandrasan’ny solombavambahoaka Rakotondrabesa Pierre Aimé, voafidy tao Arivonima­mo, sy ireo olom-boafidy tao amin’ny faritra manodidina ny dinika natao hanatsarana ny seha-piharian’ny tantsaha sy ny famokarana ataony. Nandray anjara tamin’izany koa ny rafitra mpampindram-bola Secam sy ireo mpisehatra ao amin’ny faritra Itasy sy Bongolava.

Henintsoa

Partager sur: