Niverina indray ilay fomba fijery napetraky ny mpanjanaka. Rehefa any ivelany na avy any ivelany, tsara. Ny eto an-toerana, tsy mahomby loatra. Any amin-javatra hafa ivelan’ny kolontsaina mety hitombina izany...
Ny kolontsaina, zavakanto, soatoavina, fomba amam-panao, sns. Tsy mba azo refesina ka hametrahana venty tahaka ny lanja, habe, velarana, halavirana… Saingy mbola mandaitra sy raiki-tampisaka amin’ny taranaka ankehitriny ilay manaiky lesoka. Manomboka heno sy hita etsy sy eroa indray ny: « … Tonga eto an-tanindrazana ireo nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ilay hetsika ara-kolontsaina lehibe notanterahina tany… Afaka mirehareha isika fa nitondra avo ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy izy ireo ». Midika ve izany fa « iva » ny sehatra eto Madagasikara? Na, « iva » ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy raha oharina amin’ny an-dry zareo vahiny?
Maro be ireo vahiny no mitrandraka ny kolontsaina, zavakanto, fomba amam-panao, soatoavina, sns, eto Madagasikara. Raha ho an’ireo taranja ireo, misy zava-mahaliana maro ity Nosy ity matoa voasintona sy mandany vola aman-karena ary liana ry zareo vahiny. Tsy efa toerana «avo» ve izany ho an’ny kolontsaina, zavakanto, fomba amam-panao, soatoavina malagasy?
… Io fomba fisainana manaiky lesoka tsy misy fiafarany io no tsy ahitana ny tena fandrosoana. Misitrika avy hatrany rehefa tojo na mifanehitra amina kolontsaina, zavakanto, soatoavina, fomba amam-panao, sns, vahiny. Tsy mahatazona ny an’ny tena intsony. Manao rapadango sy randrana tsy sahaza ny tena avy eo.
HaRy Razafindrakoto




