44 taona lasa ny marina kokoa, satria efa tamin’ny taona 1982 izy ireo no niara-dalana. Mpianatr’i Hans Ranaivoson avokoa, teo amin’ny sehatry ny hosodoko ry Georges Rakotomanana, William Randriamanana, Rafalimanana, Rakotomalala Joe ary Miraniaina Randriamalala. Tafaraka indray izy ireo ankehitriny, ka hiara-hanatontosa fampirantiana “Tsiaro ny lasa”. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly izany, tetsy amin’ny Ivokolo Analakely.
“Tsiaro ny lasa”, satria hitarafana izay 40 taona mahery nifaneraseran’ireto mpanakanto ireto izay. Entina hanehoana ihany koa ny kanto mitoetra sy ny fitrandrahana ny talenta. “Manan-talenta ireo, manan-talenta ny Malagasy fa tsy dia nahay loatra nampivoatra izany. izy ireto kosa nahalala ilay fototra. Mihoatra no ho ny volamena ho an’ny firenena ny sanganasa toa ireto haranty ireto”, hoy ny nambaran’i Hans Ranaivoson. Ho an’ity andrarezin’ny hosodoko ity, anisan’ny nilofosany ny fanehoana ny tontolo iainana sy ny zavaboahary mba ho sady fiarovana no fanandratana izany. Nampitainy tamin’ireo mpianany izany ka ireto farany indray no nikaroka sy nitrandraka teknika hafa toy ny fampiasana akora mateza an-jato taonany, izay mampahateza ny hosodoko vita.
“Maro ireo miteny hoe: tsara fa tsy araka ny fahefa-mividy ny hosodoko. Eny, marina izany. Saingy ampy hahafantarana ny lanjan’ny zavakanto iray koa anefa izany. Mety azoko hamidy 5 tapitrisa Ariary ny hosodoko iray… Azoko homena fotsiny koa anefa raha tena ianao mihitsy no olona hitako fa hahatandrina azy. Izay lanjany amin’ny maha kanto izay no tena lafo vidy”, hoy hatrany i Hans Ranaivoson.
Zo ny Aina




