Nanolana ankizivavy 16 taona: Roa lahy naiditra vonjimaika am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja any amin’ny fonjan’Antsirabe, omaly, ny lehilahy roa. Tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizivavy 16 taona, tany Antanifotsy. Teny ambony bisikileta handeha hody ity ankizivavy ity no tratran’ireto olon-dratsy ireto.

Niakatra fampanoavana eo anivon’ny fitsarana tao Antsirabe, omaly, ireo roa lahy, tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizivavy 16 taona, ny 16 febroary 2026, lasa teo. Naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjan’­ Antsirabe avokoa izy ireo, taorian’izay. Niaiky ny heloka nataony moa izy roa lahy ireo, rehefa nanontanian’ny polisy. Tsiahivina, fa notafihin’olona roa tsy fantatra teny an-dalana io ankizivavy tsy ampy taona io, rehefa nikasa andeha hody an-trano. Avy nianatra izy ary nandeha bisikileta no nosakanan’ireo olon-dratsy ireo ka naholana avy eo, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena. Ankoatra izay, mbola norobain’ireo roa lahy ireo ihany koa ny finday miisa roa sy ny kitapo teny aminy nandritra izany. Taorian’ny asa ratsy nataon’ireto mpanolana ireto, nahavita nandositra nanavo-tena ilay lasibatra. Mbola nikasa ny hamono ity zazavavy ity moa ireo mpanolana tamin’izany, saingy tafaporitsaka ity farany.

Voasambotra telo andro taty aoriana
Niantso vonjy sy nahavita nitaraina ny zava-nanjo azy tamin’ny ray aman-dreniny tany an-trano ity zazavavy ity, taorian’izay. Tsy niandry ela fa tonga nitoroka teny amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny polisim-pirenena ao Antanifotsy avy hatrany izy ireo. Nandray andraikitra haingana ny Polisy tany an-toerana ka nanao ny fikarohana sy fanadihadiana rehetra mikasika ireo nahavanon-doza. Telo andro taty aoriana, voasambotra tany an-trano fonenany avy ireo olona roa voarohirohy ireo.
Efa nahazo fitsaboana sahaza azy kosa ilay ankizivavy lasibatry ny fanolanana. Efa tsy misy atahorana rahateo ny toe-pahasalamany amin’izao fotoana izao. Marihina fa sazin’ny lalàna higadra an-tranomaizina roa hatramin’ny dimy taona ny olona iray tratra manadala na manolana ankizy tsy ampy taona. Mbola mandoa onitra 100 000 hatramin’ny 900 000 Ariary ihany koa ny tompon’antoka. Azon’­ ny rehetra atao ihany koa ny miantso ny laharana maitso 147, raha misy trangana fanolanana sy herisetra amin’ny endriny hafa.

Mino

Partager sur: