Roa ny vesatra hanenjehana ny depiote, Andriamananoro Augustin, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo. Anisan’izany ny fampiantranoana ireo olona mampiasa “Compte fake” sy ny fampiasana izany hanakorontanana saim-bahoaka sy ny fiandrianam-pirenena. « Eo koa ny fanondranana volamena tsy ara-dalàna », hoy izy.
Voatendry ho “Coordonateur général du conseil consultatif de la refondation”, eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana i José Vianey. Mpanao politika fony fitondrana Arema ny tenany ary anisan’ireo olona akaiky koa ny amiraly Ratsiraka. Nanorina ny antoko « Rassemblement pour l’avenir de Madagascar – Ram » koa izy.
Hentitra ny minisitra, Gascar Fenosoa. Misy hasiny ny nanomezana ny anarana ho Rovan’i Manjakamiadana ka tsy maintsy haverina, araka ny nambarany. « Tsy nakana ny hevitr’ireo mpitan-kasina sy zanak’andriana ny fananganana «Colisee» tao anaty rova fa fanapahan-kevitra samy irery . Fanotana fady ny nataon’ny mpitondra teo aloha », hoy izy.
Efa nanao hetsika ny FJKM, ny volana janoary, ho an’ny fiarahamonina. « Fiangonana manakaiky vahoaka eo amin’ny fahasalamana, sakafo, fitafiana… », hoy ny filoha, Zaka Andriamampianina. Mijoro koa ny fiangonana izao hanohana ny any Mahajanga sy Toamasina. Hitohy anio etsy Mahamasina izany ary hofaranana rahampitso.




