Bred Madagasikara: Hijanona maharitra eto amintsika

Tonga eto Madagasikara, nanomboka ny desambra 2024 ny banky Bred Madaga­sikara BP, nisolo ny Société Générale teo aloha. Maro ny efa nataony, tao anatin’izay herintaona niorenany izay. Nambaran’ny talen’ny serasera, Rakotomavo Haingo, fa nanomboka ny marsa 2025 ny nanovana ary nametrahana ny mari-pamantarana Bred Madagasikara BP, an’ireo masoivoho manerana ny No­sy, sy ireo karazana pitsopitsony (taratasim-bola, serasera, internet, …). Nandray anjara tamin’ireo hetsika ara-toekarena samihafa, toy ny Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny Fizahantany (ITM 2025), niara-niombon’antoka « Platinum » nandritra ny fihaonamben’ny Sadc teto Madagasikara. Navoaka ny drafitrasa stratejika. Novaina ho masoivoho ny Akaiky Banky Ambatolampy. Natao ny hetsika « Tombola ». Eo koa, ny fanampiana ny traboina any Toamasina.
Nomarihin’ny tale jeneraly, Thierry Charras-Gillot, fa « ra­ha herintaona no nahatongavan’izy ireo izao, hijanona maharitra eto Madagasikara ny Bred Madagasikara BP. Niorina ny taona 1919 izahay, ary tsy niala mihitsy any amin’ny firenena izay misy anay. Anisan’ny banky matanjaka aty amin’ny ranomasimbe indiana izahay ».
Hiara-miombon’antoka amin’ny Fihaonambe ara-toekarena CEO Summit Indian Ocean 2026 ity banky ity amin’ny avrily 2026. Hampaha­fan­tarina tsy ho ela ny Tranoben’ny Tanora mpandraharaha, hanohanana azy ireo amin’ny fandraharahana.

Njaka A.

Partager sur: