AmbondronA sy mi’Ritsoka: Hisy seho goavana ho an’i Toamasina

Samy manao ny tandrify azy. Hanohy ny andian-tseho, ho fanangonam-bola hanampiana an’i Toamasina ny tarika AmbondronA.

Ao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, vavahady P1, ny alahady 8 marsa. Io ny fotoan-dehibe homen’ny tarika AmbondronA ireo mpankafy azy eto Antana­narivo. Fampisehoana goavana no homanina, iarahan’ny tarika misalahy amin’ny mi’Ritsoka Production eo amin’ny fampitaovana rehetra. Natao ho fitadiavam-bola, hanampiana ireo mpiray tanindrazana traboina noho ny fandalovan’ny rivodoza farany teo izany.
« Misy tantara raikitra amin’ny tarika i Toamasina. Efa ni­ketrika izay tokony hatao miaraka aminareo mpankafy izahay, ankoatra izay efa nataon’ny mpikambana tsirairay. Nivoaka omaly ny fahazoan-dalana ka eto izany ny fotoanantsika. Vonjy ranovaky izy ity, ka izay azo hatao haingana indrindra ho hotontosaintsika miaraka. Hisy vidim-pidirana ohatran’ireny seho mahazatra ireny satria izay ny antom-pisian’ny tarika. Izay no hahafahanay mizara ka isika rehetra hifanome tanana. Halefa manontolo any Toa­masina izay vola azo eo », hoy ny fanazavan’i Beranto, raha nidina teny Mahamasina nijery ny toerana ny tarika, omaly.
«Handao hanaovana an­ga­redona. Tsy vita indray mandeha ity. Hisaorana ireo efa nanao. Anjarantsika kosa indray izao », hoy i Blanc. « Manantena ny fifanentanana avy amintsika mpankafy, satria tsy afaka handany vola amin’ny serasera mba tsy hanena ny fanampiana ho an’ireo mpiray tanindrazana mila izany any isika. Fa na ezahana tsy hisy fandaniana be aza, seho tena izy sy matihanina foana no iarahantsika. Antony iray iarahana amin’ny mi’Ritsoka izany, izay hanome maimaimpoana ny fitaovana rehetra », hoy kosa i Honty nanamafy.
Naneho fialantsiny tamin’ireo mpankafy ihany koa ny tarika, raha mbola tsy afaka ny hamoaka indray ny fandaharam-potoana mandritra ny taom-pampisehoana 2026, araka ny nampanantenaina tamin’ny voalohan’ny taona. « Tokony ho fanokafana ny faha- 25 taonan’ny tarika ny seho roa ny 6 sy 8 marsa izao. Noho ity toe-draharaha maika ity anefa dia nampandeferina aloha izany. Navadika kosa ho ny zoma 6 marsa sy ny 13 marsa ny seho karakarain’ny RDJ, samy ao amin’ny La City », hoy hatrany i Beranto.

Zo ny Aina

Partager sur: