MSK – Oniversiten’Antananarivo : Nomen-danja indray ny teny malagasy

Nosokafana, omaly, teny Ambohitsaina Ankatso, ny fanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » ifarimbonan’ny Onive­rsi­ten’Antananarivo sy ny Ivon-toeram-pikarohana mom­ba ny arika sy ny zavatra ary ny olona malagasy (Itazoma/­Ciram) ao amin’ny Zanatse­hatra Malagasy, Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra ary Sian­tsan’ny Maha olona.
Nosantarina tamin’ny diabe norahavana hira, ny fandaharam-potoana. Narahina fampirantiana ireo boky sy voka-pikarohana maro mom­ba ny teny malagasy. Dihy, hira, antsa tononkalo, slam, dontany sy kapotandroka, hira, sns, teo amin’ny Espla­nade Ankatso.
Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fampirantiana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny teny malagasy sy ny Tra­nombokim-pirenena. Teo koa ny Tranombokin’ny Onive­rsite sy ny avy ao amin’ny Itazoma, izay sady mpikarakara ny hetsika rahateo. Tohi­zana, anio maraina, amin’ny hetsika ara-tsiansa, ao amin’ny Grand Amphi EGS Anka­tso, ny fankalazana. Velake­vitra « Teny malagasy ahavitana ny raharaham-pikarohana ». Profe­sora dimy mianadahy avy amina seha-pikarohana samihafa no hamahavaha io lohahevitra io.
… Nomen-danja indray ny ny teny malagasy sy ny fampiasana izany eo amin’ny fanabeazana sy fampianarana ary eny anivon’ny fiarahamonina. Mila hamaroina sy hatao matetika ny tahaka izao mba hanaitra ny Malagasy fa tsy voatery mindrana ny an’ny hafa hatrany vao afa-miresaka, mikaroka, sns.

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: