Etazonia sy i Madagasikara: 175 tapitrisa dolara ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana

Manohana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara i Etazonia. Vola mitentina 175 tapitrisa dolara no entina miasa mandritra ny 5 taona (2026-2030).

Vola mitentina 134 305 000 dolara ny fanampiana avy amin’ny governemanta amerikana hanatanterahana ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana eto Mada­ga­sikara. 41 216 252 dolara kosa ny tetibola entin’ny go­ver­nemanta malagasy hiaraha-miatrika ny ady amin’ny tazomoka, ny fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny ady amin’ny lefakozatra ary ireo olana ara-pahasalamana maneran-tany.
Nihaona nandritra ny roa andro teto Antananarivo, ara­ka izany, ireo tompon’andraikitry ny fahasalamam-bahoaka Malagasy sy Ame­rikana, izay dingana lehibe voalohany amin’ny fampiharana ny votoatin’ ny fifanaraham-piaraha-miasa nosoniavin’ny firenena roa tonta, ny volana desambra 2025 teo.
Manam-pahaizana manokana amin’ny sehatry ny fahasalamana avy amin’ny governemanta amerikana sy mpitarika avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka no mikaondoha manao ny tomban’ireo tetikasa ara-pahasalamana fito, izay vatsian’ny governemanta amerikana vola. Mandinika ireo lahasa efa an-dalam-panatanterahana, manolotra soso-kevitra mba hampirindrana ireo tetikasa amin’ny Fifanaraham-piaraha-miasa izay mifanindran-dalana amin’ny Paikady Amerikana ho an’ny Fahasa­lamana Maneran-tany sy ny tanjon’ny Governemanta Ma­la­gasy.
Ankasitrahan’i Etazonia ny finiavan’ireo mpitondra malagasy hametraka ho laharam-pahamehana ny fanomezany ny fotoana sy ny rehetra ilaina hiantohana ny fahasalamana sy fitsaboana ireo olom-pireneny. Ny fiovam-pitantanana vao natrehan’i Madagasikara dia fotoana fanararaotana hanamafisana ny rafi-pitantanana, hanatsarana ny fomba fiasa sy ny vokatra azo, ary handrosoana kokoa hanamafy ny tsy fiankinandoha amin’ny fahaiza-miatrika, indrindra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.

Tatiana A

Partager sur: