Fanampiana ireo traboina Miara-miasa i Shyn sy ny Zanak’ala

Manoloana ireo tranga fisavoritahana sy korontana ary fisolokiana sy fanodinkodinana ny fanomezana ka tsy mipaka amin’ny tokantrano tokony hivantanany, nanapa-kevitra ny tsy handefa ny anjara hanampiany ho an’ny traboina eto Toamasina ny vondron’ny fikambanana Zanak’ala avy ao Fianarantsoa, tarihin’ny mpandraharaha Mamy Bé Forst. Nametraka fiaraha-miasa mivantana amin’ny mpanankato Bé Jean Prosper na fantatra amin’ny anarana malaza hoe Shyn izy ireo. Vokany, vary 7 taonina no natolotr’ireto vondrom-pikambanana avy any Fianarantsoa ireto ho an’ny tokantrano 1500 isa. I Shyn sy ny ekipany ao amin’ny fikambanana Betsileo eto an- toerana no handrindra ny fitsinjarana.
Nohamafisin’ity mpanankato ity fa atao izay tsy hisian’ny fimenomenonana ka aorian’ny fitsinjarana amin’ireo tokantrano voalaza dia efa tonga ihany koa ny manaraka. Nanamafy ny tale jeneralin’ny Zanak’ala fa tsy hijanona amin’ny vary ihany ny fanomezana fa mbola hiditra amin’ny zavatra hafa ilain’ny traboina.

Sajo

Partager sur: