« Andron’ny firaisankina »: Hanampiana ireo mpanao gazety traboina

Hotontosaina, anio, eny amin’ny tokotany malalaky ny Tranombokim-pirenena Ampe­filoha, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro, ny « Andron’ny firaisankina ». Hetsika iarahan’ny CTOJM sy ireo fikambanana mpanao gazety rehetra manerana ny Nosy mikarakara izy ity. Natao ho fanohanana sy fanomezan-tanana ireo mpanao gazety traboina any amin’ny Faritra Atsinanana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny hetsika “Voin-kava-mahatratra”. Tanjona ny hanehoana ny firaisankina sy ny maha iray antsika mpanao gazety manerana an’i Mada­ga­sikara. Hanangonana fana­mpiana, fitaovana, vola ho an’ireo traboina ny fotoana anio. « Hampitombo ny fifankatiavana sy ny fifanohanana eo anivon’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety ny hetsika. Entanina ny mpanao gazety tsirairay sy ireo fikambanana mpanao gazety rehetra handray anjara », hoy ny mpandrindra ny faritra Antanana­rivo, Andry Rakoto.
Miisa 67 ny mpanao gazety traboina ao Toamasina ary vehivavy no maro an’isa, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety. Afaka mitondra fandraisana anjara ho fanohanana azy ireo ny vehivavy mpanao gazety sy ny rehetra.

Vonjy

Partager sur: