Anisan’ireo toerana nitondra faisana ary nahitana fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny mponina ao amin’ny kaominin’i Didy, faritra Alaotra Mangoro. Nisy ny fahasimbana nahazo ny mponina ka nitaky fandraisana andraikitra haingana ho fanohanana azy ireo. Nanatanteraka fizarana fanampiana ara-tsakafo ny BNGRC ho an’ireo tokantrano. Eo koa ny fanohizan’izy ireo ny fanaraha-maso sy ny fanombanana ny zava-misy eny ifotony. Miisa 250 ireo nisitraka ny fanohanana ho fanamaivanana ny fahasahiranana sedrain’izy ireo taorian’ny loza.
Nigadona ao Taolagnaro ny delegasionina notarihin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena tamin’ity herinandro ity. Nisy ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny QMM izay vonona hifanolo-tanana sy hanamafy ny fiaraha-miasa. Nanohana ireo sekoly sy mpianatra traboina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Fytia sy Gezani ny orinasa. Nihaino ny hetahetan’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana ao an-toerana ny ministra ka nanome toky fa hitondra ny vahaolana mifandraika amin’izany.
Teny Anosy no nanatanterahana ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny firosoan’ny Ivontoeram-panofanana ampitain-davitra eto Madagasikara (CNTEMAD) ho oniversite niomerika. Manana ivontoeram-panofanana 52 ny CNTEMAD, manerana ny Nosy. Ny 17 amin’izany no hisantarana ny firosoana amin’ny fampianarana niomerika. Haharitra efatra taona ny fametrahana tanteraka ny fanavaozana rehetra. Tombanana hitombo ho 50 000 ny isan’ireo olona hisitraka fampianarana ampitain-davitra hatramin’ny taona 2029.




