Misesy ireo mpanakanto vahiny… : efa lany ny tapakila 400.000 Ar amin’ny sehon’i Tayc!

Nisy ireo tsy dia nahazo mpijery firy… Fa ny ankamaroan’ireo mpanao rap sy afropop vahiny nandalo teto Madagasikara kosa dia maro mpankafy. Anisan’ireo andrasana mafy i Tayc, araka ny efa nampanantenain’ny mpikarakara tamin’ny volana desambra lasa teo. Fantatra mantsy fa efa lany ny tapakila sokajy VVIP, izay namidy 400.000 Ar ny iray. Efa madivadiva ihany koa ny tapakila VIP mitentina 300.000 Ar sy ny sokaly Gold amin’ny vidiny 200.000 Ar. Porofo ireo fa rehefa tena handrasan’ny mpankafy ny seho, manana ny fahefa-mividy mifanaraka amin’ny tolotra ihany ny mpijery fampisehoana.
Adiny iray eo ho eo no tena anjara fampisehoan’i Tayc mandritra io seho goavana ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena io, ny 10 marsa izao, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Araka ny nampanantenaina, hiaraka amin’ity mpanakanto tompon’ny “afrolove” ity ireo mpandihiny amin’io. Mialoha izany anefa, hisy ireo mpanakanto hafa nasaina hanafana mialoha ny sehatra. Anisan’ireo ry Shyn sy Denise, izay tsy latsa-danja amin’ny laza koa raha notarafina tamin’ny “Makua Tour” notontosain’izy ireo teto Ma­dagasikara hatrany Frantsa. Eo koa i Rim-Ka, ilay mpanakanto miaka-dazabe, nahazo ny “Révélation 2022” tamin’ny “RDJ Mozika” farany teo. Ho avy eo koa i GaEi, mpanakanto Malagasy efa nisehatra tany Frantsa. Hisahana ny fikosehana kapila kosa i Mbints JMSH amin’io tapany voalohan’ny seho io.
Marihina fa ny Good Vibes, izay nikarakara ny sehon’i Dadju tao amin’ny Kianja Barea ihany no nanafatra an’i Tayc. Ankoatra ny eto Madagasikara, mbola hisy koa ny fampisehoana hotontosainy ao La Réunion ny 18 marsa izao.

Zo ny Aina

Partager sur: