Saika hanafika mpamongady : Jiolahy telo maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny manodidina an’Ambohipo, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nisy telo lahy nikasa hanafika tao amina toeram-pivarotana iray. Lavon’ny balan’ny polisy avokoa izy ireo.

Nieren-doza ny mpamongady iray eny Ambo­hipo, omaly. Nitsefotra ny fanafihana saika hataon’olon-dratsy tao amin’izy ireo. Tompon’antoka ny telo lahy, nitondra basy. Nisy nahatsikaritra ny nahatongavan’izy ireo. Nampiahiahy ny mponina ny fihetsik’izy ireo. Nampandre avy hatrany ny polisim-pirenena ny manodidina. Tonga ara-potoana ireto farany, izay efa nanao fisafoana teny amin’ny manodidina.
“Nanao asa fisafoana teny amin’ny manodidina ny ekipan’ny USI. Nanampy azy ireo koa ny polisy miasa eny Alasora”, hoy ny fanazavana voaray tamin’ny tomponandraikitry ny serasera eo ani­von’ny polisim-pirenena. “Nitondra fitaovam-piadiana toy ny basy sy zava-maranitra ireo jiolahy”, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Marihina fa nanapoaka basy rehefa nahita ny mpitandro filaminana ireo jiolahy. Namoy ny ainy avokoa izy telo lahy mpandroba, omaly vao mangiran-dratsy. “Tsy nisalasala ny mpanao ratsy fa nitifitra avy hatrany vantany vao nahita ny polisy. Niaro tena sady namaly ny mpandroba ireto farany. Maty tsy nisy niangana”, hoy ny vavolombelona teny an-toerana, nandritra ny angom-baovao natao.

Nariany anaty rano
Natsipin’ny iray tamin’ny mpanao ratsy tany anaty rano ny basy nampiasainy rehefa voan’ny bala izy. “Efa mikaroka ilay fitaovam-piadiana izahay amin’izao fotoana izao”, hoy ny polisy. Tsy nisy afa-tsy izy telo lahy ireo no tratra teny an-toerana nandritra ny fifampitifirana, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy. Milaza ny mponina sasany fa misy naman’izy telo lahy tafaporitsaka. Na izany aza, efa misy ny fanadihadiana ha­mantarana raha toa ka nisy olona hafa nandositra na tsia.
Manoloana ny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, mitohy ny ezaka ataon’ny ekipan’ny polisim-pirenena hamongorana ny mpanao ratsy. Manentana hatrany rahateo ny olom-pirenena izy ireo mba hampandre ara-potoana. Tanjona ny mba hahafahana misoroka ny tranga fanafihana tahak’ity teny Atsimon’Ambohipo, omaly maraina, ity.

Tsiferana R.

Partager sur: