Toamasina: Zaza dimy taona nianjeran’ny hazo

Manaraka fitsaboana hatramin’izao ilay zazavavy dimy taona nianjeran’ny hazo nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Gezani tao Toamasina. Nisedra fahasahiranana ny ray aman-drenin’io zaza io noho ny takaitra navelan’ilay loza voajanahary tao amin’ny renivohitra Atsinanana. Voa mafy nandritra izany ny zanakavavin’izy ireo. Tsy nitazam-potsiny, nitondra fanampiana hanavotana an’io zazakely io ny vadin’ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana. Nitsidika ilay zaza mandalo tsy fahasalamana teny anivon’ny hopitaly Bethany io tsara sitrapo io. Manoloana ny tsy fisian’ny fitaovana, toy ny scanner sy ny hasarotan’ny fahasalaman’i Jacquinah kely, nandray an-tanana feno ny fanaovana Evasan ity vadin’ny mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana ity. Ambany loatra anefa ny tahan’ny «oxygène» ka voatery nampidinina teny ambony fiaramanidina io zaza io. Manara-maso akaiky ny fahasalamany ny Profesora Todisoa, lehiben’ny sampana “Pédiatrie” ao amin’ny CHU Toamasina sy ireo mpiara-miasa aminy.

Tsiferana R.

Partager sur: