Fitsarana : manambana hitokona ny mpirakidraharaha

“Ho mafimafy noho ny teo ny tolona hataonay amin’ity. Tsy ho voafehin’ny rindrina efatra izahay fa hivoaka amin’izay”, hoy ny filoha lefitry ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM), ny Me Jean Claude, teny Anosy, afakomaly, momba ny fivoriambe hataon-dry zareo eto Antana­na­rivo amin’ny 24 febroary ho avy izao.

Ho eny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Faravohitra, izy ireo; ho eny amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola, An­taninarenina. Avelao hanao izay tiany hatao ny fanjakana amin’io, na hisambotra na hamono. Tsy hihemotra izy ireo.

“Tsy atao biby fampitahorana ny fanapahan-karama. Sao izay no heverina hampihemotra anay? Sanatria. Tsy hihemotra izahay, na inona na inona hataonareo”, hoy izy momba ny fanapahan-karama, novambra 2022. Nilaza sosialim-bahoaka ny filohan’ny Repoblika. Aiza ny sosialim-bahoaka amin’izao? Ny karaman’ny mpiasa indray no tapahina.

Tsy fahefan’ny minisitry ny Fitsarana sy ny minisitry ny Fitantanam-bola ny manapaka ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Zo ny mitokona. Ao anatin’ny lalàmpanorenana sy ny sata ankapoben’ny mpiasam-panjakana izany. Tsy vitan’izay, tsy nomeny koa ny tambin-karama ho an’ireo nahazo isa tsara tany amin’ny lehiben’ny fitsarana. Aiza no nandehan’ireo vola amin’ny anaran’ny mpirakidraharaha ireo amin’izao? “Tsy maintsy hiteny sy hitabataba izahay”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: