Iza izy ? Andriamiharivolamena Zavamanitra. 39 taona ary zanak’i Fandriana. Anisan’ireo manam-pahaizana manokana momban’ny fiharian-karena sy ny fitantanam-bola. Mampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony ary “Administrateur” eo anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara.
Nianatra tany Frantsa, tao amin’ny «Faculté des sciences économiques et de gestion», Oniversite “Aix-Marseille”. Manao Judo ary tepana mainty. Anisan’ny sakafo tiany ny anana sy ny hena ary ny “Tripy” na koa ny trondro maina rony. Ankafiziny manokana ny gadona RnB sy ny mpanakanto, i Marion
Nanamarika azy teo amin’ny politika ny tombony manokana azo tamin’ny fampianaran-dRakotonirina Manandafy azy. “Ny hitazonana sy hanohanana ny foto-kevitra fa tsy tsangan’olona. Ny tokony hananganana mpandrahara Malagasy matanjaka sy matihanina isaky ny faritra ho fampandrosoana ny firenena”, hoy izy.
Eo koa ny nametrahan’ny Pr Ralaisoa Emile azy ho tomponandraikitra hanangana departemanta iray vaovao eo anivon’ny oniversité, tsy miankina iray. Nanamarika azy ny fahatokisana nomeny, araka ny nambarany.
Tetikasa Zavamanitra
Ny fandraisan’ny vahoakan’ny distrikan’i Fandriana sy ny faritra Amoron ‘i Mania ny “Tetikasa Zavamanitra” ho soa ifampizarana ho fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. “Misehatra eny anivon’ny tontolo ambanivohitra io tetikasa io ary manohana ireo mpampoly sy mpiompy amin’ny asa ataony. Manome fampiofanana samihafa sy tosika ary mizara zezika sy masomboly na koa zana-trondro, akoho sns…”, hoy izy. Mametraka tanjona hampandroso ny faritra ny tenany, ahafahan’ireo tantsaha hahita sy hamoaka ireo vokatra ary hitady tsenam-barotra.
Toromarika omeny ny tanora, ny fianarana. Ny hananana toe-tsaina tia karokaroka. Mahay mandray andraikitra sy miatrika ny olana lalovana ary ny firaisankina.
Mpikambana eo anivon’ny antoko Avi noho ny fotokevitra hijoroany ny tenany : “Fanjakana tsara tantana sy ny demokrasia ary ny fanjakana tan-dalàna”, hoy izy.
Fisarahan’ny politika sy ny fandraharahana
Anisan’ny olana eo amin’ny politika ny hamaroan’ireo mpandraharaha mifehy ny fitondrana sy ny mpanao politika. Tokony hisaraka izany fa miteraka ampihimamba sy “Oligarque” ka manimba firenena. Fongorina ny kolikoly ary beazina ny olona tsy hiaina ao anatin’izany.
Nitondra vahaolana koa anefa ny tenany amin’ny tokony hanabeazana ireo tanora raha te hanao politika.
Anisan’ny olana koa ny fanazarana ny vahoaka amin’ny vola ka zary tsy misy mihaino intsony , tsy misy mandray ny fanehoan-kevitra na foto-kevitra tian’ny manam-pahaizana resahina na atao.
Nambarany koa fa tokony hotohanana mafy ny fambolena sy fiompiana… Ny famoronana mpandraharaha lehibe isaky ny faritra ka arovana izy ireny.
Nangonin’i Synèse R.