Namoaka ny Gazety boky, Demokrasia, isan-telovolona indray ny eo anivon’ny HCDDED, omaly, tetsy Soanierana. Nivoitra tamin’izany ny tolokevitr’izy ireo amin’ny lalàm-pififidianana. “Tokony ho foana ny fifidianana natao raha tsy mihoatra ny 25% ny tahan’ireo mpifidy nandray anjara tamin’izany”, hoy ny filohan’ity rafitra ity, Navony Pierre Lenoble. Nanteriny fa tsy misy dikany ny fifidianana raha latsak’io taha io ireo nifidy. Tsy nandray anjara izany ny 75%, araka ny nambarany. Itovian’ny HCDDED hevitra amin’ny fiarahamonim-pirenena koa ny tokony hamerana ny vola ho an’ny kandidà, hiatrika fifidianana. Ny tokony hamaritana mazava ny fotoan’ny fampielezan-kevitra.
Fiarovana ireo mpampaneno lakolosy
Etsy andaniny, efa nalefan’ny HCDDED any amin’ny fanjakana ny sosokevitra eo amin’ny lafiny lalàna, iarovana ireo mpampaneno lakolosy, mahitsy sy milaza ny marina. Notsiahiviny ny ady efa nataon’izy ireo manoloana ny tsy rariny sy antsojay nihatra amin’ny mpampaneno lakolosy tany Ihorombe ka noafahan’ny fitsarana rehefa nitombina ny porofo rehetra. Tsy azo ekena kosa anefa ny fanenjehana befahatany, araka ny nambarany.
Ankoatra izany, nahitsy ny eo anivon’ny HCDDED ny amin’ny tokony hamahan’ny eny ifotony ny olana; tahaka ny nitranga tany Amboasary Atsimo. “Tokony hanana finiavana sy handray andraikitra ny any an-toerana fa tsy hiandry baiko avy aty ambony. Mampiroaroa saina sy mampiitatra ny ady an-trano any an-toerana izany ary tonga hatrany amin’ny faty olona”, hoy izy. Anjaran’ny fiarahamonina, mpiray foko ny mandamina ny olana eny ifotony.
Synèse