Mbola i Frantsa no mpiara-miombon’antoka ara-toekarena voalohany ho an’i Madagasikara. Maherin’ny 55 ny orinasa frantsay eto amintsika, manome asa 20 000 mahery.
Sehatra telo lehibe no tena mampisongadina ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. I Frantsa no mpanjifa voalohany ara-toekarena sy ara-barotra ataon’i Madagasikara, mpamatsy entana fahatelo ary mpampiasa vola vahiny fahefatra (IDE), mitentina 277 tapitrisa euros. Misandrahaka amin’ny seha-pihariana maro, toy ny akoranafo (hydrocarbures), ny fanodinam-bokatra ara-pambolena indostrialy, ny fifandraisan-davitra, ny tontolo ara-bola, ny famatsiam-bola.
Mitentina 874 tapitrisa euros ny fifanakalozam-barotra eo amin’ny firenena roa tonta, ny taona 2025, ka manatombo ny fanondranan’i Madagasikara any Frantsa. Miisa 55 ny orinasa frantsay eto Madagasikara manome asa 20 000 mahery.
Maro ny fandaharanasa sy tetikasa iarahany miasa amin’ny firenena na rafitra iraisam-pirenena. Mitentina 125 tapitrisa euros isan-taona ny tohana avy amin’ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Taorian’ny nisintahan’ Etazonia sy ny USAID, manodidina ny 600 tapitrisa euros, miisa 51, ny tetikasa tohanan’ny AFD ara-bola. Mitentina 570 tapitrisa euros ny famatsiam-bolan’i Frantsa ao anatin’ny vondrona Eoropeanina, mahakasika fotodrafitrasa sy angovo. Manohana ny fananganana tohodrano mamokatra herinaratra 120 MW, mitentina 600 tapitrisa euros, i Frantsa.
Fanampiana ny traboina
Santionany ihany ireo fa maro ny sehatra hafa tohanan’ity firenena ity amin’ny lafiny kolontsaina, ny tetikasa Lalankely, ny fanampiana ny tetibolam-panjakana, ny fiarovana ara-tsakafo, sns.
Manampy ireo, mahatratra 20 taonina ny fanampiana ny traboina vokatry ny rivodoza Fytia sy Gezani, mitentina 212 000 euros. Milanja 8,5 taonina ny fitaovana sy kojakoja ary sakafo (vary ny ankamaroany) nozaraina. Mitentina 72 000 euros ho an’ny rivodoza Fytia. Mahatratra 140 000 euros ny fanampiana vokatry ny rivodoza Gezani.
Njaka
Andriantefiarinesy




