Nahitana fatim-behivavy iray efa niboridana tanteraka tetsy Ambohitsaratelo, Ampitatafika, omaly maraina.
Efa tapaka ny tanany ary tsy tao intsony ny fony sy ny taova hafa tamin’ny vatany.
Vehivavy iray, tokony ho 51 taona, hita faty tetsy Ambohitsaratelo, fokontany Avaratetezana, kaominina Ampitatafika, omaly maraina tokony ho tamin’ny 05 ora sy 40 minitra. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra sy ny mponina eny an-toerana ny zandarimariam-pirenena miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampitatafika. Tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana avy hatrany izy ireo sy ny mpitsabo taorian’izay. Fatim-behivavy iray efa tsy nisy akanjo sy niboridana tanteraka no hita teny an-toerana. Nitsilany miankohoka tamin’ny tany, manoloana ny vavahadin’olon-tsotra izy. Efa tsy nisy tanana intsony ny ilany havian’ny razana. Tsy nisy taova intsony koa satria tsy tao intsony ny fony sy taova sasany tao amin’ ny vatany, nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo ny razana. Ankoatra izay, efa niala ihany koa ny nofo tamin’ ny tongony sy teo amin’ny lohany ary ny tarehiny. Nahitana ra niparitaka ny toerana manodidina azy.
Hita teny amin’ny manodidina ny entany
Natao ny fisavana ny toerana manodidina ny nahitana ny razana. Hita teo amin’ny 10 metatra miala izany ny taolan-tanany efa voakaikitry ny biby ny nofo taminy. Nitohy ihany izany, ary hita teo amin’ny 50 metatra ihany koa ny ny entany efa nihoson-dra, izay natao tao anaty harona plastika mainty. Nahitana poketra iray miloko volontany sy ny entany maro hafa. Toy ny akanjo sy kojakoka samihafa ary karapanondron’ny maty. Nandritra ny fisavana ny toerana no nahafantarana fa nisy dian-tongotra maromaro teny an-toerana. Raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo, kaikitry ny biby no hita tamin’io vehivavy io. Tombanana ho tamin’ ny 5 ora tany ho any no nahafaty azy.
Naterina teny anivon’ny tranom-paty HJRA Ampefiloha ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo sy ny manam-pahefana. Miandraikitra ny raharaha ny zandarimaria miasa ao amin’ny Poste Fixe Ampitatafika. Andrasana ny tohin’ny rahahara sy ny fahafantarana ny olona nahavanon-doza.
Mino




