Efa niaraha-nahalala ny fihaonana teo amin’ny Filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, sy ny Filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Azo lazaina fa tsy niova ary mbola manga ny lanitra eo amin’ny firenena roa tonta. Mitohy ny fifanampiana anatin’ny voina, miha mafy ny fifandraisana diplaomatika. Mbola mifanohana sy miara-miasa araka ny lamina ny andaniny sy ny ankilany.
Tsy nampiova na inona na inona amin’ny fifandraisana diplaomatika amin’i Frantsa sy Madagasikara ny fivelarana misimisy kokoa amin’ny firenena Rosianina. Ity farany izay efa mpiara-miasa hatrizay tamin’i Madagasikara rahateo. Porofon’izany ny fitaovam-piadiana ampiasain’ny Tafika Malagasy, izay vita avy any amin’ny Firaisana Sovietika teo aloha avokoa mandraka izao.
Efa nigadona eto amin’ny tanàna, manamafy izany ny fitaovam-piadiana vaovao sy ny « drônes » avy any Rosia, hanamafisana ny fitandroana ny ain’ny mpitondra sy ny filaminam-bahoaka. Mazava ho azy fa mibaliaka aloha ny masoandron’i Madagasikara raha ny fivelarana iraisam-pirenena no asian-teny. Miroborobo ny fifandraisana amin’ny lafiny rehetra. Mahavelombolo!
Ny indrokelin’ny mpandrafitra, tsy maintsy ilana fanatsarana anefa ny fiantraikan’izany amin’ny raharaham-pirenena anatiny. Tokony hojerena akaiky ny akony any amin’ny andavanandron’ny mponina sy ny filany amin’ny ankapobeny. Vahoaka mendrika ny higoaka ny tombontsoan’izany tolo-tanana etsy sy eroa izany ny Malagasy.
Tsy tokony hijanona na ho voafetra amin’ny any ambony latabatra sy sokajin’olom-bitsy ny raharaha manga, fa miara-misitraka izay azo iarahana misitraka. Ny vahoaka rahateo no tena tompon’ny fahefana sy tompon’ny teny farany amin’ny fitantanana ny firenena. Rariny sy hitsiny raha mba mahazo rirany na kely aza izy amin’ny tombontsoa mihoampampana ao ambadik’ireny fiaraha-miasa bediabe ireny.
r.r




