Hetsika Rohy: “Mila hazavaina ny fandrafetana ny tondrozotra”

“Tsara ny hoe hamoaka tondrozotra hitondrana ny Tetezamita ny filohan’ny Fa­navaozana, alohan’ny 28 febroary”. Io ny nambaran’ny mpandrindra teknika ny Hetsika Rohy, Andriamora­niaina Harijaona, teny Amba­to­nakanga, omaly, ny amin’ny hoe hamoaka tondrozotra hitantanana ny Tetezamita ny fitondrana. Tokony handraisan’ny mpisehatra rehetra anjara ny famolavolana izany, raha ny fitakian’ny fiarahamonina sivily. Eo ny sehatra tsy miankina, ny tanora, ny fitondrana isan’ambaratonga… Amin’izao, tsy fantatra: avy aiza izay tondrozotra havoaka alohan’ny 28 febroary izay? Hevitra manokan’ny fitondrana sy ny governemanta ary ny mpanao politika akaikikaiky azy ve? Maro amin’ireo mpanao politika akaikikaiky azy no tsy manana sehatra ka miezaka misisika ao aorian’ny filoha hahazoana toerana politika. Mety hanimba ny Tetezamita sy ny lalan-kizorana izay, ahina hororitin’ireo tsy manana hery hahazoana tena miatrika fifidianana.
Andrasana izay tondrozotra izay, hitondrana ny firenena ao anatin’ny 20 volana farany. 24 volana no teny nomena sy nampanantenain’ny filohan’ny Fanavaozana hitondrany ny firenena sy hikarakarany fifidianana. Ha­hatongavana any amin’ny Repoblika V izany. Amin’izay no ho hita hoe misy mila fanatsarana ve sa efa mety amin’ny fitantanana ny firenena? No­tsiahivina ny amin’ny fampanantenana hampandray anjara ny mpisehatra rehetra sy ny fanaovana fangaraharana ny fomba fitondrana sy ny fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena. Tsy mbola tazana aloha izay hatramin’izao, raha ny nambarany.

R. Nd.

Partager sur: