Ambatolampy : Tratra ireo vary simba milanja 96 taonina

Nogiazana avokoa ireo vary simba milanja 96 taonina, natao tao anaty kamiao miisa 3 tratra tao Ambatolampy, ny herinandro teo, hisorohana ny fiparitahany eny an-tsena.

Anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC) hamantarana ny zava-misy marina. Nambara fa maro tamin’ireo trano fitehirizan’entana ao amin’ny faritra Atsinanana no potika taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ka nahatonga fahasimbana tamin’ireo entana notehirizina. Noho izany, hanara-maso akaiky ny ta­hirin’entan’ireo mpanafatra ny minisitera. Nampitandrina ihany koa ny minisitera amin’ ireo minia mivarotra vary simba fa hampiharina aminy ny lalàna sy ny sazy mifanaraka amin’izany. Araka izany, miantso ny rehetra hanome vaovao, hiantso ny laharana maitso 961 ny MinCC raha mahita tranga mampiahiahy.

Mateti-pitranga

Volana vitsy lasa izay, nahitana tranga toy izao ihany koa tao amin’ny seranan-tsambon’i Vohémar, raha ny loharanom-baovao. Voalaza fa nipetraka efa ela tao anatina kaontenera hatramin’ny taona 2016 ireo vary ary namoaka fofona mahery ka mety hitera-doza. Voaresaka tamin’izany fa kaontenera 50 no efa voaisa ka ny sivy tamin’ izay no efa nalana teo amin’ny seranana.
Ankoatra izay, teratany vahiny iray no voalaza ho tompon’ireo vary simba milanja 124 taonina avy any Pakistan, tratra tao Toamasina tamin’ny taona 2024 no naiditra am-ponja taorian’ny fanadihadiana natao azy. Tsiahivina fa niteraka resa-be tany an-toerana ny raharaha noho izy saika diovina ka hamidy. Voamarina nefa fa tsy azo hanina intsony ireo vary ka nandraisana fepetra. Nafan­garo tamin’ny fotaka sy nototofana fako izany. Saika nisy handoatra nefa ireo vary saingy tratra. Nandroaka ireo olona voalaza ho mpitsindroka fako ny zandary ary nilaza fa tsy mbola nahazo na inona na ireo andian’olona. Vokany, nandrarahana fako indray ny toerana nandevenana ireo vary lo nisorohana ny loza mety hitranga.

Henintsoa

Partager sur: