Fiarovana ara-tsakafo: Fampivoarana ny rafi-pambolena maharitra

Natao ny 23 sy ny 24 febroary teo, teto Antanana­rivo, ny atrikasa nasionaly mahakasika ny fampisakafoana an-tsekoly, mifototra amin’ ny fividianana ny vokatra eny ifotony (HGSF). Miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana azy ny minisitera ao amin’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny Fana­beazam-pirenena (Men), ny antokon-draharaha ara-tsakafo (ONN) ary ny FSRP. Tan­jona ny hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo, ny fampivoarana ny maha olombelona, ny fanamafisana ny rafitra ara-tsakafo maharitra, araka ny voasoritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE-R) sady fanatanterahana ny Tondrozotra nasionaly hanavaozana ny rafitra ara-tsakafo 2020-2030. Nokendrena tamin’ny atrikasa ny hamoahana ny teti-dalana mazava azo tanterahana, namaritana ny laharam-pahamehana sy hampaharitra ny fandraharanasa HGSF.
Anisan’ny nasongadin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Rasatarimanana José Nirina, fa anisan’ny hatao ny fividianana ny vokatry ny tantsaha mpamokatra eny ifotony, hamatsiana ny fisakafoana an-tsekoly. Mi­teraka fiaraha-miasa matotra eo amin’ny fanabeazana, ny fambolena, ny fanjarian-tsakafo ary ny fampandrosoana isan-toerana ireo.
Izany dia mifanaraka amin’ ny Drafitra stratejika nasionaly momba ny fisakafoana an-tsekoly, hanamafisana ny fitantanana ny Copilans, ma­naiky ny teti-dalana nasionaly.

Njaka A.

Partager sur: