Miisa 901 ny karatra ho an’ny mpitrandraka volamena, madinika, tany Ranohira, ny sabotsy 21 febroary teo. Karatra ahitana famantarana QR code ireo natolotra ireo. Tanjona ny hampiasana ny teknolojia niomerika, hampidirana anaty ara-dalàna ireo mpitrandraka madinika. Nisantatra izany ny any Mariana, kaominina Ranohira, izay natao fokontany filamatra. Misy ny fandaminana amin’ny lafiny fahadiovana, ny famatsiana rano fisotro, mialoha ny hidiran’izy ireo anaty toeram-pitrandrahana.
Natao omaly 24 febroary ny fidirana ofisialy amin’ny fiofanana ho mpianala, andiany faharoa eny amin’ny Foibe CNTF Angavokely. Maharitra 2 taona ny fiofanana ho teknisianin’ny ala. Mpiofana miisa 30, hanaraka ny sokajim-piofanana mitohy, ireto vao niditra ireto, izay efa mpiasa eo anivon’ny minisitera Medd avokoa ary avy amin’ny Fitantanam-paritra Dredd miisa 12. Hiasa eny anivon’ny faritra avokoa izy ireo aorian’ ny fiofanana.
Vita ny lalana Joffre Ville any Antsiranana, rehefa narenina nandritra ny 15 volana. Mirefy 23 km ity lalana ity, vita godirao hatrany amin’ny tanànan’i Joffre Ville. Natao rarivato kosa ny ampahan-dalana mankany amin’ny «Parc», mifanaraka amin’ny toetra sy ny filana ara-pizahantany. Noraisina vonjimaika ara-teknika, omaly, ity fotodrafitrasa ity.




